<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>656</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Maty malala, ka ory ny fo ;
 Lasa ny tiana, ka mafy manjo ;
 Nefa isika tsy mba mamoy,
 Fa manantena hihaona indray :
 Ao aminao Tompo ! izy izao,
 Tsy mba marary na misy
 manjo ;
 Nentina any ambony madio,
 Dia ho sambatra mandrakizay.

[V2]
 Mba notandremana fatratra
 koa,
 Nefa tsy tana, fa lasa izao ;
 Eny, ry Tompo ! ekena tokoa
 Izay sitrakao, fa izany no soa :
 Ao aminao ..sns.

[V3]
 Fantatra koa fa isika izao
 Samy vahiny ka hody indray ;
 Indro ! ny namana lasa izao,
 Lasa miandry antsika arý :
 Ao aminao ..sns.

[V4]
 Ary isika, raha hiala atý,
 Dia hotsenain'ireo havan-
 tsy foy
 Eny, hihaona mifaly indray
 Ka tsy hisaraka mandrakizay
 Ao aminao ..sns.</lyrics>
<title>Maty malala, ka ory ny fo! FFPM656</title>
</song>